AMIN'IZAY FOTOANA IZAY (sylvio(cora))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMIN'IZAY FOTOANA IZAY

Tsy tafa tombona fenao foana no aho an-doha
Mahatsiarotsiaro,manembonembona ireo firahantsika taloha
Malahelo fa lasa enao tsy nampandre
Tsy azoko hoe inona no nahatonganao nandeha

Izaho 'nefa tsy kivy,fa mbola manantena foana
Hoe enao mbola hiverina,na firy volana na firy taona
Dia amin'zay isika hanorina fitia vaovao
Enao ho eto an-tratrako,izaho hitoetra anilanao

Ka hiaraka isika,hizara ny mamy sy ny mangidy
Na iza hanakiana,na iza amin'io hanome tsiny
Ary hibanjina ny hoavy iray manontolo
Fa ireo fahiny,havalona sy havela any daholo

Fa tontolo hafa no hianan-tsika roa
Hijerena sy hitadiavana izay mahasoa.

CORA
--------
Rohy:
1101 1
Mpakafy: sylvio05
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sylvio(cora)
Nampiditra : sylvio05
Daty : 23/11/2016 09:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135