EFA ELA (sylvio(cora))

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EFA ELA

Efa ela izy no naniry,
ny hiara-dalana aminao
Efa ela izy no nikiry
Mba ho eo anilanao

Efa ianao no nosafidiany,
mba ilazany ny ao am-pony
Ka na misy hafa aza tsy raharahiany
Fa ianao foana no ao an-dohany

Ka ny hany tena tiany,
ianao ho eo am-pelatanany
Raha mba mety, izy aza ariana
Fa valio ny fangatahany.

CORA
--------
Rohy:
959 1
Mpakafy: sylvio05
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sylvio(cora)
Nampiditra : sylvio05
Daty : 16/11/2016 08:14
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139