sovenira iray ho anao (sylvio(cora))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SOVENIRA IRAY HO ANAO

sipa iray sendra nandalo
no nampisokatra ny foko
ny ohatran'azy mety hoe tsy maro
na de maro ireo toerana sy foko.

Indray andro,tsy alahady fa sabotsy
tanaty F ,andeha ho eny Andoharanofotsy
Tamin'izay no sendra niara-nipetraka,
nifampiharahaba aloha,aveo natomboka ny resaka

Dia nandeha teo moa ny tafa,samy tsisy niavonavona
izay zavatra nolazaiko tamin'io tsy nisy nolaviny
fa noraisiny am-po tena tsy nisy hambahamba
ka voanahita azy sariaka,toa voamay aho lasa jamba

Teo amin"pharmacie"moa tsika nonisara-dalana
ka lasa tsy tsaroako hatramin'ny naka anarana
fa ny hany mba tao an-tsaina sy mba voalaza taminao
tsy nisy afa tsy teny tokana manao hoe"tiako ianao".
CORA
--------
Rohy:
1319 1
Mpakafy: sylvio05
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : sylvio(cora)
Nampiditra : sylvio05
Daty : 12/11/2016 15:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014