You are here: home > Vetso

Tsy maty ianao - Rakotoharisoa

Tsy maty ianao fa tia tena ka nanapaka irery
F’izao isika sy hatrizay dia hanao fangala-piery
Ka voatondro aho hitady sy hikaroka anao
Eto anivon’ny tontolo, eny izao tontolo izao
Eny anaty abakabaka, any anaty rano lalina
Vao mifoha , tatao vovonana, hatramin’ny misasak’alina
Eny Ivohitra, an’ala, any anaty lohasaha
Dia nikaroka aho tsy sasatra,nitady ka nizaha
Valaka ihany aho, ka nikipy dia natory
Efa nionona ny hamoy, efa nionona ho ory
Izay neveriko fa haizina, hay mazava no nisoko
Tsy taiza ny fierenao sy lapanao fa tao am-poko

Sokajy : Fahafatesana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Rakotoharisoa

Nampiditra : lucia1
Daty : 19/05/2020
Mpamangy : 170
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAHAK'IZAY
TSITSIO NY ROTSA-KAZO