Mihodina ny tany (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tatamo Ravaky Ny Farihy
6 min ·

MIHODINA NY TANY
erin-taona lasa izay
no babon'ilay tsiky
voasinton'ny fitia
nisidina tery
erin-taona toy izao
no niaretan-tory
tsy nisy nampahory
kanefa dia izao
erin-taona lasa
no nambabo ity fo
adaladala loatra
ka tonga dia nitroatra
erin-taona lasa
no nahitana fifaliana
raha tojo ity tiana
tsy tsiaro ny fijaliana
erin-taona toy izao
no nahitako anao
ka tsy nahalatsak'hanina
kanefa toa tsy fanina
erin-taona toy izao
nandritra ny erinandro
tsy niraharaha fahandro
fa toa voky anao
erin-taona toy izao
ny tsikim-pifaliana
ny hiram-pihobiana
no masaka natao
fa eny ankehitriny
mihodina ny tany
ka ilay fifaliana
toa zary fijaliana
toa tsy mahalatsak'hanina
fa zary fanim-panina
ny torimaso tsy hita
fa ilaozana mamisavisa
Mihodina ny tany
ka ilay tsiky niha tomany
ny saina mihavosa
torovana sy osa
Mihodina ny tany
kanefa izao ihany
ilay fitia nifoha
mijanona tsy ho lô !
Tatamo Ravaky Ny Farihy
21 jolay 2016
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
829 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 20/07/2016 22:47
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0629