Ny Teny Malagasy (Tatamo Ravaky Ny Farihy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny teny malagasy anie
Tsy hitovizana amin ny hafa
Io no mampirehareha
Satria tsy mampihafahafa
Ny teniko, ny taniko
Ireo no tena mamiko
Sambatra aho fa malagasy
hatraty an-dakilasy
Sao ianao dia mampitaha
Fa tiako lavitra ny ahy
Eny ekeko ny hoe mianatra
Fa ny teniko mananatra
Na mianatra teny vahiny
Ny ahy tsy ho adino
Malagasy aho tsy menatra
Fa ny teniko mampivelatra
Tatamo Ravaky Ny Farihy
17 jolay2015
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
946 1
Mpakafy: tatamo1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tatamo Ravaky Ny Farihy
Nampiditra : tatamo1
Daty : 24/07/2016 03:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156