Tsy ho Ahy (Timoty Josto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy Ho ahy!

Isanandro aho mandinika ny fahatsaranao
Fa toa tsy misy fanamperany
Ny fitiavako anao,raha sokafana ny foko tsy tapany fa efa erany
Ilay volonao amin'ilay itiavako azy,tsy ngita tsy malama fa eo ho eo
Mety adiniko izao rehetra izao
Raha ianao no eo anilako eo

Eny fa na ny alokao no tazako
Nefa toa mambabo ny foko
Ianao lay zava-boahary tsara indrindra
Mahay zavatra tokoa ny tompo

Fa iza loatra ary ianao iny?
Fa kanto loatra, tsara voatra
Fa raha ekenao ity foko mahatra
Tsy vitany mankasitraka sy ny misaotra

Fahasambarako mantsy ny hiaraka aminao
Tsisy hoe nahoana fa tiko tsotr'izao
Omeko anao ny foko,raiso ka anjakao
Nefa aleo aho isento fa..haiko fa tsy ho ahy ianao

Rediredy ny ahy iny,
Nofinofy fa tsy ho tanteraka
Ao fa hanariko ny foko
Fa adaladala tsy mahay
mipetraka
Tsy mendrika ny hatsarànao ny fitiavako
Indrindra mo fa ilay vavako,izay milaza fa tia anao
Ka iangaviko ianao,izaho ankahalao
Fa tsy ho ahy ianao...

Timoty Josto
--------
Rohy:
146 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Timoty Josto
Nampiditra : Timoty2009
Daty : 22/06/2024 18:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0321