You are here: home > Vetso

TARA LOATRA - Timoty Josto

Azo vakiana?

   TARA LOATRA

Dada a,tara loatra ianao
Fa i Neny efa nandao
Noho ireny ditranao
Herinandro lasa izay
No lasa i Mamanay
Nandao anay tsy satry
Nalevina fa maty
Nalefanay ny filazana
Anonjam-peo sy Anonjan-tsary
Nefa ianao toa tsy mba tamy
Fa variana tany ho any
Tara loatra ianao vao nody
Tara ireto fanafody
Izay noentinao hoan'i Neny
F'efa lasa Mama tsy niteny...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Timoty Josto


Nampiditra : Timoty2009
Daty : 18/10/2019
Mpamangy : 212
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

LASA HONO KIALA
EFA SAMBATRA
Voafitaka
'Zaho hanao mpitsabo
Kalon'ny voadona
Tiko loatra ianao
Gadana