You are here: home > Vetso

EFA SAMBATRA - Timoty Josto

Azo vakiana?

  "EFA SAMBATRA"
Tadidinao ve ilay oram-batravatra,nirotsaka omaly
Izaho tamin'iny nanararaotra nitomany
Ranomaso farany nanadinoako anao
Ka nanakohako eran'izao tonto izao
Ka ny mombanao rehetra
Ny salovan-tavanao
Nohadinoko tsy nisy fetra
Eny,hatraminy ny anaranao
Toa tsy tsaroako intsony ilay nilaozanao
Toa zary nofy ihany fa efa sambatra aho izao
Sambatra tokoa fa nahita solonao
Mendrika sy lafatra fa tsy toanao
Tia ahy ary tiko izy,fa raha ny mombanao
Toa nofy taminy fiainako f'efa sambatra aho 'zao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Timoty Josto


Nampiditra : Jj.be
Daty : 05/12/2019
Mpamangy : 109
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

LASA HONO KIALA
TARA LOATRA
Voafitaka
'Zaho hanao mpitsabo
Kalon'ny voadona
Tiko loatra ianao
Gadana