You are here: home > Vetso

Voafitaka - Timoty Josto

Azo vakiana?

Malala a...
Misy zavatra lazaiko
Fa aoka ianao ho tony tsara
Tsy foiko ianao ry sombiniako
Fa ny antsika roa tsy anjara

Ffaa...

Aza tapahinao ny teniko
Efa manambady aho tsy afeniko
Samy tiko nareo roa
Fa izy kosa no tonga aloha..

Setra a,ianao ve mamo?
Sa 'zaho no manonofy?
Sa ianao mitantara angano
Mba entinao handrotsirotsy!!

Mirana a..Henoy tsara
Ny antsika roa hoa tsy anjara
Efa manana aho hoy aho
Tsy mba laingako na tsaho

Tena mafy loatra 'zany
Fa loza inona ty androany
Hay ianao efa manan-tompo
Voaratranao re ity foko..
Ty foko kely tsy manantsiny
Lay tokam-po toy ny siny
Fa hilaozanao ankehitriny(...)

Ela loatra re fa zao..
Tso-drano no andrasako aminao
Ialako tsiny tena ifonako
Etsy aloha ianao oroako

Mandehana re ry tiko
Zao de zao fa tsy ampitso
Mandehana misambara
Fa 'zany tokoa ny hoe tsy anjara...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Timoty Josto


Nampiditra : Jj.be
Daty : 02/08/2019
Mpamangy : 129
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

LASA HONO KIALA
EFA SAMBATRA
TARA LOATRA
'Zaho hanao mpitsabo
Kalon'ny voadona
Tiko loatra ianao
Gadana