Angatra (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alina ny andro
Mangina ny toerana
Misy fotsifotsy
Aloka niserana
Feo manakoako
Ao ambadiky ny fasana
Olona mijoro no tazana misakana
Somary mitsingevana
Ary koa mitsikitsiky
Taolana mitsangana
Katrikatry nify
Menamena maso
Ny vatany efa potika
Fitafy lamba landy
Efa rotidrotika
Soa ihany fa nanjavona
Nanjary saiky vita
Ny andro koa nafana
Lasa nangatsika
Nony tao an-trano
Ny saina tsy ao tsara
Injany misy olona
Ao akaiky lalantsara
Mitsaitsaika moramora
Mandeha mikapokapoka
Loza fa mipoitra
Tonga tampotampoka
Nangovitra ny tongotra
Lolo kosa ange
Nikitika ny tenda
Nokendainy mafy be
Niakatra ny maso
Tsy naloham-peo
Tapitra ny aina
Tantara indray niseho

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1192 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137