Nahoana (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao 'mteny ahy hoe ratsy izato tenako?
Fa tsy fantatrao akory hoe ahoana moa ny fiainako?
Toa lazainao tsy nizara aho kanefa nanome
Niangavy ny ho ampiko ianao,tsy nandà aho fa nandeha
Dia hafa ny fijery fa lazainao fa tia tena
F'ianao irery ve no hampina vao lazaina fa ekena
Toa lazainao fa maditra aho kanefa tsy mifoka
Tsy namonjy sasak'alina aho lazaina fa mpanota
Jiolahimboto hoy ianao ka nandositra ianao nisitrika
Satria ve tsy hita taratra aho,lazaina fa mingitrika
Toa lazainao zazakely aho satria ve tsy mba matotra
Facebook no hitanao ka lazaina tsy mifantoka
Miteny adala ianao toa tsy ara-pahendrena
F'angah moa hitanao aho nisary adala teny an-tsena
Toa lazainao mieboebo aho,fa tsy manaiky atao mahay
Milaza ny zava-misy aho koa hoe miseho milay
Indraindray aho mba miteny,lazaina fa mibohaka
F'angah moa hitanao aho,nitsinjaka sy nihoraka
F'angah raha mitomany lazaina sarim-bavy
Moa ve rarana raha sendra mba miangavy
F'angah raha tsy misotro lazaina fa hoe pelaka
Raha izany no atao hoe bandy dia aleko aloha mipetraka...

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1257 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128