Ny tranonay - Ny tohaina
Azo vakiana?
Asaiko ianao hitsidika ny tokatranonay
Voahaingo tononkalo ny rindrina rehetra
Ny valin-drihana mangirana rehefa injay jerena
Ka mipetraka eny koa ireo sarin'ny poeta
Ny fanaka ao anatiny efa tota ihany
Mipirina ao tsara ny boky samihafa
Ny asa soratro rehetra mivalona ao daholo
Ahafahanay mijery ny rakitry ny lasa
Ao ny penina karazany anaty boaty kely
Ny rakibolana matevina miloko mangamanga
Vatakely gasigasy somary efajoro
Sarin'olona mpanoratra natao tanimanga
Ao koa ny pensily fanaovako ireo sary
sy taratasy fotsy somary vasobasoka
Nataoko tsara pirina eo akaikin'ny fandriana
Manao atanatohatra toy ny lamba vita pasoka
Penina Misioka
(Tohaina)
Sokajy :
vazivazy
Mombamomba
Mpanoratra : Ny tohaina

Nampiditra : haraldtohaina
Daty : 07/10/2017
Mpamangy : 804
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Ho an' i Eric Fou ' HehyFELANA
MITAZANA AZY ROA SISA
Hanadino anao aho
Maty ny sipako
Tsiaro anao
tsiambarantelon' iny vehivavy iny
Raha tsisy
17 oktobra 2003
ho anao