You are here: home > Vetso

Sao tsy rariny - Ny tohaina

Azo vakiana?

Aleo marina mandefitra
Angamba izay no mety
Aleo manaiky izay ambarany
Handohalika leiretsy
Sao lahy tanterahany
Vao hitodika ny loha
Fandrao tara loatra
Ka manenina tokoa
Nefa kosa sao tsy rariny
Taingimbozona ankolaka
Vola no tsy hananana
Saina no voatoraka
Dia ahoana ny madinika
Sa hadino ny fisiny
Manambaka tsotra izao
Ka ho hita eo ny tsiny
Fa enga anie ho diso
Fandrahonany ihany ireny
Raha tsy izany kosa nefa
Dia ito misy teny:
Diniho ihany sao...
Sanatria kolikoly
Ny vola no hajaina
Tsy mitondra aiza akory
Tsy aleo manao ny marina
Fa ny soa levenam-bola
Toy izay miteti-dratsy
Izay vao lany rora

Penina Misioka
(Tohaina)