Zovy (Ny tohaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zovy ianao iny
Nanaiky ny fisiko
Tsy namela ahy irery
Tao anaty haizim-pito
Nitafy ny alaheloko
Nampisento ny tomany
Ary tsy mba nanaratsy
Fa nizara teny mamy
Zovy ianao iny
Ry olona tsy fantatro
Nanarina raha lavo
Nitantana ny tanako
Tsy mba nanadino
Fa nihaino ny taranaiko
Nanambitamby hatrany
Nanazava indray ny fiainako
Zovy ianao iny
Nanafaka ny tahotro
Niaro ny tontoloko
Nitarika ny lalako
Tsy aiko fa ankamatatra
Zovy ry tsy sosotra
Mazoto tsy mba sasatra
Ary tsy mikely soroka
Zovy ianao iny
No mitsidika ahy foana
Mivatsy fifaliana
Manamaivana ny taona
Nibaby ny adin-tsaiko
Mikiry ny hasambarako
Nanjary tena tiako
Zovy ianao ry namako

Penina Misioka
(Tohaina)
--------
Rohy:
1078 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139