You are here: home > Vetso

delestazy - Tsilaitra

Rehefa maty jiro
Na injao minaianaina
reo vahoakan'Iarivo
Velona Taraina
valaka sy reraky ny asa an-davanandro
kanefa vao ahandro
ny ketriky ny anio
anaty azim-pito
tsy misy zay mangirana
vahoaka izay sahirana

fa tsy mba maty jiro
ny mapanao zara vilana
eny Ambohimitsimbina
Faly sy mitavana
Hazavana, tsy fizara amin-kavana
fa voatokany ho azy
sy reo mpifanolo-bodirindrina
anaty efiny mirindrina
tsy azonao idirana

mijaly zay sahirana

TSILAITRA, 10/12/2007

Hametraka hevitra

Midira aloha