You are here: home > Vetso

KANTO NEFA - Tsilaitra

Na Kanto sady Raitra
Aoka tsy ho taitra
Ny fonao Sakaiza.
Anonatanio aloha hatraiza
Ny halalin'ny fitia
Moa mba ho doria?

Na dia tiana sy iriana
Aoka tsy ho variana
Amin'ny endrika eny ivelany
Aoka tsy ho sodokan'
Ny angolan-teny, lokalola
Na ny akanton'ny firehany

Ny fanjelatry ny molony
Ny oroka natolony
Moa mba azonao an-tsaina?
Fa ny tsiky namboariny
Sy fitia sarintsariny
Moa azonao andrandraina?

Tsilaitra (09 martsa 2010)
Valin-kira ho an'i Taratriniana

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

hery (23/03/2010 09:24:25)

Izao izany ilay hoe "Baolina ambony tatazan'ny loha, mandinika aloha :-)"

arialy (25/03/2010 09:33:35)

hery< fa tafiditra iany .... lol , sa tsy izay moa iny pub iny??

arialy (25/03/2010 09:33:38)

hery< fa tafiditra iany .... lol , sa tsy izay moa iny pub iny??

Hametraka hevitra

Midira aloha