You are here: home > Vetso

Mason'andro anio - Tsilaitra

Azo vakiana?

Hanomboka eto anio,
Toa rivotra tadio
mandalo sy miserana
ny nahitana anao
Ka angamba ianao toa gaga
Fa misy ireo milaza
Fa antra sy fitserana
Izay vita sy natao

Mason'andro anio
Dia fafana tsy ho re
Ny antso be dia be
Nifampiantsana fahizay
Mason'andro anio
Voajery an-tsipirihany
Izay homban'ny diany
Fa angamba efa fay

Tsilaitra (04/03/2010)

Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha