You are here: home > Vetso

Saina voagadra - Tsilaitra

Azo vakiana?

SAINA VOAGADRA

Firifiry moa reo olona
Niasa sy nitolona
Ho Anao ry Tanindrazana
Kanefa lasa razana ?

                     Aiza ireo Mahery fo
                     Nanao zay hahasoa
                     Anao ry Tany mamy ?
                     Nalatsa-dra noniafarany

Izany rehetra izany
Aoka hibaribary
Ho hita miharihary
Dia vandana eo zay kary

                    Kanefa mampangoraka
                    Fa ts’isy sahy mamboraka
                    ‘Zay irian’ny fony.
                    F’izay manao izany :
                    Fonja no antsoiny

TSILAITRA, 28/02/99


Hametraka hevitra

Midira aloha