You are here: home > Vetso

SAINGY TIANA - Tsilaitra

Azo vakiana?

SAINGY TIANA

Saingy Tiana mantsy Ianao
Dia mirehaka ho mahay
Miseho ho milay
Kanefa indraindray (...)
Manao ny tsy fanao

Aoka itsy ry Tiana
Fa tsy fanahy iniana
Ny andro mampangiana
Fa famerenana fisainana (...)
Ho amin'ny andro rehetra iainana

Ianao ilay Tiana tena tiana
Kanefa toa variana
Manjehy ny andro lasa
Sa misy zavatra kinasa (...)
Dia itodi-doha mankaiza?
Ny zaza tsara taiza
Mody an-tranon-dRay
Fa ny antsika kosa, ampy angamba izay

Tsilaitra (04/03/2010)


Sokajy : Fisarahana, Fitiavana

Hevitra mandeha

pisokelinah (12/10/2010 16:14:20)

zay le olana!ref dokafana d miseho milay!!!!

Hametraka hevitra

Midira aloha