You are here: home > Vetso

Tsilaitra mihitsy - Tsilaitra

tsilaitrako mihitsy
fa toa mahitsihitsy
ny teninao sakaiza

F'enao angaha sakaiza
tsy mba notinaiza
anaja fitenenana?

tsy zakako iny indrindra
enao rehefa mamindra
manao itsin-dalana

enao angaha ry namana
tsy mba nampianarina
andeha ny lala-marina?

TSILAITRA, 21 may 2005

Hametraka hevitra

Midira aloha