You are here: home > Vetso

Tsy ho tsiniko - Tsilaitra


TSY HO TSINIKO

Angamba tsy ho tsiniko
Raha mody adinodinoko
'Lay faha-folo amin'ny didy
Fa zaho tsy nahatadidy

Ianao dia vadin'olona
Nefa sahy mitonona
Ho mpitovo ka mizaha
Dia zaho 'lay mody adala
Minia tsy mahalala
Ka roboka tsinahy

TSILAITRA 28/06/2003

Hevitra mandeha

sejianis (02/04/2004 21:54:21)

fomban'ny olona moa no milaza ho tsy manambady io, ka rehefa mandainga dia petaho e!

nyeja (08/05/2004 07:19:45)

mampieritreritra ny tononkalonao, mba te hafantatra anao be be kokoa aho .

Hametraka hevitra

Midira aloha