Hanina ny akany - TSILOKO Mahadiny
Azo vakiana?
Hanina ny akany
Mba sambatra ho' aho izany tenako izany
Manana akany hitodiako mody.
Fa ory ny tenako... e! Mitomany
Lavitra anao... aty tsy ho tody.
Aty tsy ho tody manembona akany
Ny masoandro mody no kopakopahina
Veloma,veloma ry tanàna any ho any
Hanina mafy no saro-borahina.
Ny kopa-mosoaran' ny tia sady tiana
Fisaraha-mafonjan' ny samy sondriana
F' ity ora ity tanà-niaviana
No ora mangidy tsy azo itoniana.
Masïna, hono, hoe ry masoandro efa iva
Ho avy ny andro hiaonan' indray
Tsy ho ela intsony... ny fotoa-madiva
Hiaraha-mihikan' ny tia tafaray
TSILOKO Mahadiny
( 22-04-03)
Hevitra mandeha
vetsoko (21/01/2005 13:34:14)
eeeehhhh!,hotanteraka amintsika tokoa anie izany ry se a!ary isika sy se mitovy situation angamba,aza atsahatra ny kalo e!
ravaomanahirana (25/01/2005 22:06:15)
marina izany , toa mitovy fanembonana isika ,manana ankany hitodiana
sy ireo havan-tiana
embonembona any ho any
alahelo ilay ankany
mazotoa manoratra fa mampamaivana adin-tsaina sy manpitony ny fo!!
Mombamomba
Mpanoratra : TSILOKO Mahadiny
Nampiditra : IonyDaty : 20/01/2005
Mpamangy : 1833
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy ho rava...Any...!
Haiteny
Sitrako...
Nofy !
Andeha ry aiko matoriza