Sitrako... - TSILOKO Mahadiny
Azo vakiana?
Sitrako...
Ny sitra-pitia tsy loloha
Fa adidy amim-bady efaina
Ka aza robok' izay manodoka
Na ho jembin' izay manam-bika
Fa tsinjovy sy asio topimaso
Irony miondran' ny gasy
Sy irony mievan' ny tany.
Ny zanak' Iarivo be haingo
Hono, tsy fitondra hiseho amin-kavana
Fa zaza mandroso amin-damba
Ka nanary ny fanahy maha olona.
Ka raha sitra-pitia haitraitra
Fa tsy eram-panahy hahatsara
No tsy sitra-kibo hahavoky,
Dia hilaozy fa biby hanaikitra
Na haleveno fa afo handoro
TSILOKO Mahadiny
Hevitra mandeha
SOBIKA (25/05/2007 08:58:17)
ndryyyyyyy marina zany eh!! misaotra anao erampo erantsana eh!!!!
misy ireo lehilahy tô vô mahita ny akanga tsara soratra mirifatra manary ny akoho tamantrano
Mombamomba
Mpanoratra : TSILOKO Mahadiny
Nampiditra : IonyDaty : 09/01/2005
Mpamangy : 1655
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy ho rava...Any...!
Haiteny
Hanina ny akany
Nofy !
Andeha ry aiko matoriza