Any...! - TSILOKO Mahadiny
Eny manko !
Ny tiana tsy anila no anton-drahoraho
Antom-binavina sy vinany mifamaho;
Any izao ianao, izaho nefa aty
Mifamatotra isika, ny vahoan' ny fitia
Migorodana toa rano, io manjelanjelatr'io
Mikoriana tsy miato,mangoratsaka madio
No nafoiko ho anao, toa johary manazava
Miavosa, miavoloha, mitambolombolon-dava.
Eny manko !
Ny tiana tsy anila no iharan' ambiroa
Noentanin' ny fitia nakamban' olon-droa.
Fa any ianao ry aiko, lavitra tsy tazana
Nefa mifanila isika fa miombona FITIAVANA
TSILOKO Mahadiny
Hevitra mandeha
vetsoko (09/01/2005 15:08:45)
mahalaza ny situationay sy ilay tiako ilay asa-soratrao,misaotra indrindra dia mankasitraka sy mampirisika e!
andriary (27/01/2005 15:12:23)
Ny lavi-tiana no sambatra sy ory indrindra amin'ny mitia rehetra...misy ifamatorany ami'ilay tonokalo hoe : iny habakabaka iny!manasa anao hamaky ary mankasitraka sy mankalaza ity tonokalo natolotrao ity
andriary
Iony (04/03/2005 14:35:57)
Tsara e! tena tsara ary mazotoa manoratra hatrany fa mahafinaritra ny tononkalonao .
SOBIKA (25/05/2007 08:22:55)
Mombamomba
Mpanoratra : TSILOKO Mahadiny
Nampiditra : IonyDaty : 09/01/2005
Mpamangy : 1710
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
Tsy ho rava...Haiteny
Sitrako...
Hanina ny akany
Nofy !
Andeha ry aiko matoriza