FIHEVERANA IHANY (Kazary2006)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahita ahy ianao
Tsotra be toy izao
Dia mihevitra hoe
Io olona mahatra ange

Tsy maninona raha izany
Fa izaho olona ihany
Raha ny marina moa
Izaho tsy biby ihany koa

Tsy hafa raha izaho
Fa olona tahaka anao
Manana faniriana
Na dia be fahoriana

Ka aza manaratsy ahy
Re raha ianao
Fa ireo fo, fanahy
Ho entiko miaina avao
Ka ireo mampiahiahy
Tsy manino fa avelao
Ary ireo mampitaray
Ho zakaiko lavitra anao

Izay ny teny
Tiako ho fantatrao
Tsy ho anao irery
Fa mba tiako ho zarainao

Azafady mba henoy re
Ireo talaoko ange
Na dia ratsy
Mety ahafaty

Sento ihany ireo
Ka tsy natao ankaleo
Fa raha misy ny tsy mety
Mba ahitsio lehirety

Raha ny amiko
Aza raharahinao
Fa avelao ho alamiko
Ireo olana manjo ahy amin'izao


FK MAHAVITA: 05/10/2025
_______kazary_______
--------
Lien:
143 1
Fans: TSIMALAHY
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117