Ela fitodika (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Naankin-drindrina irery nisotro ny rano tsy tiana
Nifia-dranomaso matetika,velon-tsento,tomany mangina
Tra-nenina sy faraidiny nokinaikitr’amboakely tiana
Nilonjitra irery ny ngidiny tamin’ny latsan’ny fianakaviana

Ka nahoana ny dila aman-taona sahy milaza aty aoriana
Fa hoe malahelo ilay zanaka ,ilay hatrizay tsy noraharahiana
Fady izay hoe mba nitsidika na nametraka fanontaniana
Hoe manakory ilay sombin’ny aiko,fanao amin-janaka tiana?

Ny aty tsy nidongy hotiavina raha nolavina tsy novadiana
Fa rariny inoako fa hitsiny ,ny zaza tsy tokony hariana
Voan’ny tenanao izay nanilika fa ny ahy io zaza niriana
Harena mameno hasoavana ,fanoitra mitondra hamamiana

Koa nahoana no ela fitodika ,ankehitriny efa tratra aoriana
Tara loatra raha izao vao hierika ,hijery ny akany fodiana
ny aty vehivavy mahery tsy mitamby lehilahy mampifila
Tsofin-drano tohizo ny dia , ankafizo ilay nahavariana.

Tsiolaka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
21 1
Mpakafy: tsiolaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 10/10/2026 11:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 1.424