Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tatao (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tatao anie aho ka tataoMpitahiry hafatry ny ela
Tsiaro an’ireo manindao
Sy fitsiahin’ny sisa tavela
Fa nisy teto nandalo
Vahiny niserana monja
́nidify,...nitsaha-pikalo
Finaoky ny rivo-pitondra
Tatao anie aho ka tatao
Mitahiry tantara efa lasana
Tatao te hizara aminao
Ny hanitr’ireo hafa-drazana
Fa efa nisy teto taloha
Havana lavon’ny tolona
Matory fa tsy mba mifoha
Mpiavy nanao sary monina
Tatao anie aho ka tatao
Miantso anao mba hiato
Aza adino ilay fomba fanao
Raha mandalo dia tsipazo vato
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy
Mpakafy:
tsiolaka
