Ho an'iza ? (Tsitana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho an'iza ? hoy ianao
ny hifohazako maraina
miasa tsy malaina
isan'andro vaky izao.

Ho an'iza ? ihany koa
ny aritoriko efa ho lava,
torimaso tsy misava,
tsy ho anao avokoa .

Ho an'iza ? ny tanako miepaka
ny lohako mila hitresaka
ny endriko mihamalo
isaky ny secondra iray mandalo

Koa mitsikia ianao
fa hosasaiko raha ny vilia
fa ny hahasambatra anao
no voadiko ho doria.
--------
Rohy:
1224 0
Hevitra mandeha
bichette ( 20/08/2004 07:56)
aie aie aie ! mahafinaritra tokoa raha torak'izany avokoa ny vady rehetra ao antokatrano.
betroka ( 28/08/2004 22:34)
Tsara ity tononkalo ity saingy izao, mila fanatsaràna kely raha sitrakao. Andrana ihany ny ahy ka aza omena tsiny.

Ho an'iza ? hoy ianao
no ifohazako maraina
miasa nefa tsy malaina (+ tongotra)
isan'andro vaky izao.

Ho an'iza ? ihany koa
ny aritoriko efa ho lava,
torimaso tsy misava,
tsy ho anao avokoa ?

Ilay tànako miepaka (mavesatra)
Sy endrika mihamalo
Ireo segaondra raha mandalo :
ny ati-dohako hitresaka !

Mitsikia ary ianao
hosasaiko ireo vilia, (mavesatra)
ny voadiko ho doria
dia ny hasambaranao !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsitana
Nampiditra : Tsitana
Daty : 20/08/2004 07:23
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136