Mbola lavitra ny dia (Tsitana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana ianao no reraka sahady?
nahoana no dia milavo lefona ?
nefa mbola tsy mifarana ny ady!
Tsia an! aza avela hiketrona !!!
ny tavanao malia,
fa kosa mitsikia
fa mbola lavitra ny dia.

Nahoana ianao no mihoby
ho nahazo fandresena?
kanefa mbola tsy tody
amin'ny tanjona kendrena !!!
Aza de miriaria
maka aina ery
fa mbola lavitra ny dia.

Resy ianao omaly ???
Mandresy ianao anio,
ka mahaiza ianao mifaly,
ka ny alahelo hipitsiho.

Koa mandehana zory ny lalanao,
aza mierikerika intsony
mijery zay ao afara ao;
fa ny herinao no hangony
fa mbola lavitra ny dia.
--------
Rohy:
1399 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsitana
Nampiditra : Tsitana
Daty : 19/08/2004 14:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133