LASA ILAY MPAMORON-KIRA - Vahatraina Oméga
Azo vakiana?
LASA ILAY MPAMORON-KIRA
Manjomon-takariva ilay diavolam-pararano,
Mangina samy irery ilay farihy manganohano.
Ory, fa nilaozan'ilay taratra.
Ilay kintana namiratra natao ho doria,
Ilay voninkazo manitra namelana tety,
Indrisy, fa nilofika sahady.
Nangina ilay valiha, voatahiry an-dakira,
Ninkimpy koa ny masonao r'ilay Mpamoron-kira.
Veloma indrindra, ary mandria ampihadanana.
Izany moa no eto,
Tsy misy izay maharitra,
Tsy misy ny mateza,
Ilay bika soa mamiratra,
Harena, voninahitra
Handalo sy hilefa.
Izany no lalàna
Tsy azonao hialana,
Tsy maintsy izogana eto an-tany
Na faly, na tomany.
Na tapitra aza anefa ny fetrany eto an-tany,
Ny hafatra napetrany tsaroako hatrany hatrany :
Misaina aloha, alohan'ny hitenenana.
Mangina ilay valiha voatahiry an-dakira,
Mikimpy koa ny masonao r'ilay Mpamoron-kira.
Vahatraina Oméga (Zozoro)
Mombamomba
Mpanoratra : Vahatraina Oméga
Nampiditra : ZozoroDaty : 21/04/2008
Mpamangy : 884
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZOKIKO Ô !MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !...
RY NANDAO
HO FAHATSIAROVAKO
HO FAHATSIAROVANA AN'I EDY
IZAO AHO
MANEMBONA AHO
NY FANIRIAKO
INY HONO IZY
HAFATRA