RY NANDAO (Vahatraina Oméga)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY NANDAO,

Dia veloma ry nandao, ry nanda tsy hiara-dia
Ny kapoakako nomena dia ho gohiko satra,
Efa zava-tsitrakao ka na mangidy io na mamy
Dia ho ateliko daholo, ho taperiko hatrany.

Irony androtsika lasa indray miverina ao an-tsaiko
Sarisary mahasondriana ireo toerana lalaiko
Niarahana fahiny, toy ny henoko miteny
Ao an'eritreritro ao ireny rehetrarehetra ireny.

Hasabaran-tsy hita lany no niainana fahiny
Haravoana tonga lafatra, niova izany ankehitriny.
Nofy sisa ny hafaliana hitako sy hitanao
Maloka amiko ny tany sy izao rehetra izao.

Nefa moa ho aiza intsony ity mahantra toy ny very
Efa saraka hava-mamy, efa avelanao ho irery
Ka hiaritra hatrany izay miatra amiko eto
Na ho fahoriana izany na ho amboaran-tsentosento.

Tao ampo hatramin'izay ny fitiavako anao
Ka ho ao tsy misy fetra na izao tontolo izao
Indray hiridana avokoa ka hanototra ny foko
Fa fitiavana mahery, fa fitiavana tsy miofo.

Mahita izay mahasoa izany havako izany
Mahazahoa izay irina r'ilay tokako eto an-tany
Any ampilefasana any, mba tsarovy ilay mahantra
Mitadidy ny androtsika eny antsefatsefa-dratra.

Dia veloma sombinaiko ; mba ekeo farany ary
Ny oroka an-taratasy sy oroka an-tsarisary
Fara-faniriko io, dia veloma ry malala
Hoy ilay mitahiry ny fitiavany tsy miala.

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1336 1
Mpakafy: endrika01
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0165