MANEMBONA AHO - Vahatraina Oméga
Azo vakiana?
Mamiratra maraina
Ingahibe Masoandro,
Mamelombelona aina
Ity misandratr'andro,
Manembona hava-tiana,
Sakaiza sy ireo namana,
Ankany fitosiana
Vohitra nialana.
Dia lasa ny vinany
Mahatsiaro ny any ho any,
Tsy tana ny halahelo,
Ny fo mamelovelo.
Handeha toa tapa-tongotra,
Hijanona toa hafaka,
Ny an-tanana toa fongotra,
Ny aleha nefa lavitra,
Hijanona manembona,
Kakerin'alahelo
Ka ory ny fanahy.
Mombamomba
Mpanoratra : Vahatraina Oméga
Nampiditra : ZozoroDaty : 17/05/2008
Mpamangy : 1389
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZOKIKO Ô !MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !...
RY NANDAO
HO FAHATSIAROVAKO
HO FAHATSIAROVANA AN'I EDY
IZAO AHO
LASA ILAY MPAMORON-KIRA
NY FANIRIAKO
INY HONO IZY
HAFATRA