NY FANIRIAKO - Vahatraina Oméga
Azo vakiana?
NY FANIRIAKO
Zavatra tokana no faniriako
diany hahita foana ny tiako
ny eo anilany no fifaliako.
Ny hahita maso ny hendriny soa
no fahasambarana amiko koa
Ny hanatri- tava ilay tsy mba roa.
Sarotra lahy ity lala-kombana
ny fo ao anaty no toa mamanala
lavitra mantsy ilay fihantahantana.
Fa ny fanahiko no toa mijaly
raha vao tsy eo mba hampifaly
ilay olo-tiako hihara-miangaly.
Ny tadim-baliako no ampikaloiko
hidera an'i Tiako, ilay tsy hafoiko
hilaza fitia fitrotrotroiko.
Ny feon-dokangako dia tsy hangina
fa hihoby anao ry ilay olo-tiana
Fa vazo sy angola tsy haiko harina.
Ny vony hatolotro dia safosafo
sy ny vonin'ny foko ambony sy lafo
izay atolotro hatramin'ilay afo.
Vony haharitra mandrakizay
vonin'ny dina sy voadinay
ho kololokoloina ho mandrakizay.
Vahatraina Oméga
Mombamomba
Mpanoratra : Vahatraina Oméga
Nampiditra : ZozoroDaty : 17/03/2008
Mpamangy : 1330
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ZOKIKO Ô !MBA VOLANA HONO AHO KA VOLANA !...
RY NANDAO
HO FAHATSIAROVAKO
HO FAHATSIAROVANA AN'I EDY
IZAO AHO
MANEMBONA AHO
LASA ILAY MPAMORON-KIRA
INY HONO IZY
HAFATRA