Averiko any. (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misaotra noho ny lalana, sinoritrao nizorako;Misaotra noho ny sedra, tinendrinao ho anjarako;
Misaotra noho ny hery, nomenao nitolomako;
Misaotra noho ny fiainana, finidy ho tantarako.
Nomenao fahavelomana, misaotra noho ny aina;
Voatemitrao fitiavana, misaotra noho ny mamy;
Tinefinao fahaizana, misaotra noho ny saina;
Zaranao ho sambatra, misaotra hatrany hatrany.
Nandalo fijaliana, tinendrinao ireny;
Niaina ranomaso, izay tolotrao hatrany ;
Tsy misy ahy akory, tsy ahy velively
Fa nampindraminao, ka indro averiko any.
Ny kely izay fahaizako,
Ny aina nivelomako,
Ny fitiavanao nogohako,
Ny hasambara-mamiko,
Izay anjara-fiainako,
Ny hariva sy marainako,
Anao daholo izany,
Ka indro averiko any.
Vonjisoa Andjanirina
(24/08/2026)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fisaorana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 24/08/2026 20:34
