Saraka (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry lolo sy tantely mpindrandraka ny mamiko,Raha toa aho ka malazo, ho tsiniko va re?
Hilaozanao ny foko raha toa ka miala amiko
Misolo fahalazoana ilay hatsaran-tarehy?
Tsia r'ilay sakaiza ravaky ny fiainako,
Tsy ho zakako raha izany no hitranga eo,
Ny hatsarana rehetra tanaty zaridainako
Tsy misy nandrarana no natolotro anareo.
Tsy diso mantsy ianao fa laingako ihany izany,
Fa efa eto foana ny ampitso, anio sy lasako,
Rehefa maina ny eto 'ndehana miova mamy,
F'ity zaridaina ity no akany sady fasako.
Vonjisoa ANDJANIRINA
(25-08-2026)
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/09/2026 21:43
