Miaramila (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy fitia tsitsiana fa lalimpaka anaty,Tsy saina koa kanosa matahotra ho faty,
Tsy tombotsoa manokana ho fitiava-tena,
Fa ho an'ilay malala no hiadina fandresena.
Tsy miaramila ise, raha baikon'ny vola.
Tsy miaramila ise, raha matahotra ady.
Tsy miaramila ise, raha kanosa saina.
Tsy miaramila ise, raha tsisy tarigetra.
Tsy eo ambava ihany ny dina ifanaovana,
Tsy manary namana anatin'ny ady mafy,
Mitana fahamarinana mikoriana anaty ra,
Sahy ho maritiora alohan'ny faharesena.
Fa miaramila ise raha lehilahy mijoro,
Miaramila ise raha tsy mitsoaka adidy,
Miaramila ise raha fitiavana no baiko
Manosika hiady, dia mahereza indrindra.
Vonjisoa Andjanirina
15. 09. 2026
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 14/09/2026 21:40
