Mihira anao (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihira anao ry taniko ireo poeta ireoMihira am-peo mangina fitia izay tena lalina
Mihira fiadiana sy fahasarotam-piaro.
Ka ny pejy sarobidy sy raki-tsasan-kalina
Tsy namonoany jiro: ho anao ilay tany maminy.
Ao ireo nanoratra ny kantonao tsy lany,
Ao ireo nampiasa ny penina hitolomany.
Ny gadon-kira vitany?
Ny fony izay nitempo teo ampanoratana,
No namaritra azy.
Ny melodian'ny hirany?
Tsy naoty mifandimby fa ventso-po mitia
Ilay gasikara maminy.
Ka sambatra izy ireo nihira anao mangina,
Vonjisoa Andjanirina
(14/10/2026)
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana - Aingam-panahy
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)Nampiditra : Vonjisoa-Andjanirina
Daty : 02/11/2026 18:42
