Ireo nihoaran'ny vintana - Voromailala
Voatery tsy fidiny
Ireo tsy manam-bitana
Hampiasa ny sidiny
Hametrahany ny fintana
Hanjono ilay andriambavilanitra
Izay mba handrian'ny fony
Kanefa kinga sady ranitra
Ilay olona hojonoany
Na dia ho lany aza
Ny pejin'ny andro
Dia maro 'reo tsy nahàza
Ilay solo-masoandro
Mihà toy ny vatolampy
Vitan-tsianjerin'hazavana
no mahazo ireo tsy ampy
Harena na hatsarana
Mombamomba
Mpanoratra : Voromailala
Nampiditra : voromailalaDaty : 23/01/2004
Mpamangy : 3917
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
FahasambaranaNy Tempolin'ny Tompo
Ny Ankehitriny Ihany
Ny hatsaranao ry tiana
Caramail
Fanalahidy ny fitiavana
Ny foko
Voninkazo tsy manantsahala
Tsy hiafiako
Fitia tsy mety lany