Aleo ihany aho poeta (Zavona Rakoto)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
( Setrin'ilay Tononkalon'i Faniry Ezekiel "Raha izaho no zanahary)Tsy hisora-tena ho zanahary tapany,
Na koa haniry manitra ny hasin-janahary,
Fa tokana no sary,ihany aho olombelona fa nihoatra kely fotsiny
Ny ampitso aza aho tsy tompony,
K’ahoana no hidongiako ny zavatra tsy takatro,
Ny zavatra efa fantatro aza,matetika no adinoko,
Ka ny hasin-janahary no dongiako sy fihiniko?
Aleo ihany aho poeta,
Na tsy hisoketa fa hilazalaza fotsiny izay mba hetaheta
Takatry ny misy voalamin’ny natiora eto ampela-tanako.
Toy izay hanolo ny anaran-janahary hanjary mba ho anarako.
Ny zavatra mba hitako saika nanakaiky,
Vinavina ity, f’angamba aho filozofa fa sendra mba taraiky.
Na Ntaolo Malagasy amin’ny taona telo arivo.
Fa ‘lay ho zanahary toa hafahafa ihany,
Fikasana tsara fa toa vinaninany,tsy zavatra fikatsaka.
Zanahary ve dia hanao filaza masaka? Aleo ihany aho poeta!
Io no manakaiky ny zavatra mba tiako,
Io no mahalaza ny zavatra iriko sy tena ato ampoko.
Marevadreva-doko,
Tsy hitopiako akory ‘lay hoe ho Andriamanitra sy zahary be,
Ny antony dia tsotra;tsy tompona vilazy aho fa mbola garidie
K’aleoko dia poeta
Zavona Rakoto / Novambra 2024
--------
Rohy:
Mpakafy:
rina15 - ZavonaRakoto