"INAY IANAO MBA HAVAKO" (Zavona Rakoto)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mamimamy ery izao raha havanay ianao!Ny antony dia izao:
Mba afaka aho matory raha sendra mba hamangy,
Tsy mandany fahana na koa hivonto nangy
(raha te ka mba hiresaka)
Tsara tena tsara hoa raha mpihavana aza isika,
Mahazo mivalampatra raha te hifankahita sy mba hitafatafa.
Mety hoe hafahafa fa saingy tena mety,
raha mampiaraka aza,intsony tsy an-tanety
(fa an-dakozia) miaraka mahandro.
Tsy misy maha ory koa ny vola saran-dalana
maka amin'ny dadanao raha sendra ka tsy manana,
Asa izay raha mety! sa ve halasafay?
Fa tombony hoantsika raha 'se mba havanay
(ts'izany ve no mety ? )
Fa ny loza tokana mavesatra indrindra?
tsy misy intsony izao ny lova tsy mifindra.
Fa ny tena ozatra mandrotika ny saiko,
Tsy tiako indray ianao,ny antony indray haiko.
Zavona Rakoto
--------
--------
Rohy:
Mpakafy:
ZavonaRakoto