""NANADINA AHY NY FOKO"" (Zavona Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanadina ahy ny foko omaly tolak’andro,
Litera folo ihany anefa no naverimberiny,
Maminy hono ianao,sitraka sy teliny;
Asa lahy f’izany no redirediny ato

Nataony dika roa ho ato anaty foko ny teny hoe tiako ianao!
Dia indro fa natopiny ho ao anatinao ny singany ankiray
Fa hono raha hoe lany ‘lay iray anatiko ao,
Dia ianao mba manana omena ahy indray.

Nanadina ahy ny foko,tsy haiko notohaina,
Fa toa manosika ahy hanontany anao,
Litera folo ihany no toa naverimberiny,
Maminy hono ianao,sitraka sy teliny

Nanadina ahy ilay foko fa tsy haiko novaliana,
Tsy hay nampitoniana ny doron-ketahetany,
Satria ny teny andrasany hiako anatiny ao,
Ny litera folonao hoe”TIAKO IANAO”

Zavona Rakoto
--------
Rohy:
84 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto
Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 15/11/2024 05:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0168