AVELON'AMBIROA (Zavona Rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto ampandinihana ny raki-tsarintsika no zary toa tsaroako!
miverina ato ampoko fa teto ianao no dila,
tsy akory aho hoe tsy nila,indrinda nankahala
fa...rantsana efa ngoly tsy mila fofom-bala
hamalaka fanidy,angamba izay no didy.

voabanjiko maharitra teo ny sarinao mihazona ny tanako,
lasam-borona aho! Raha teto izao ianao dia efa renin-janako.
saingy moa tantara natamberin-tsary viningitr'ambiroa,
ka sisa ny eritreritro no mitahiry anao f'intsony tsy ny fo!

nivadibadika aho hitady torimaso;fa sitrany hisy anao.
isika milalao no sary mba tinadiko nikipiako fatratra,
renoka aho avy e,nahita anao namiratra nitara-tsiky lafatra,
toy ilay tinadiko.

kinanjo aho nony taitra! tsy ianao no hitako fa hay ilay fofom-badiko natory teto anilako.
Nofy sarisary!

25 Jona 2024 00:03
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
194 1
Mpakafy: ZavonaRakoto
Hevitra mandeha
ikalamako ( 23/11/2024 16:04)
zavona rakoto o, mba maka toky kely aho, andalana farany amin'ny andininy voalohany : hamalaka sa hamolaka fanidy ?
ZavonaRakoto ( 25/11/2024 04:50)
Salama Ikalamako, izay hitanao fa mahatony ny saina sy mampiaina azy tsara araky ny ainga anatinao hanononana azy e,mety! 😊
ikalamako ( 25/11/2024 22:59)
eny ary e. Maka bahana kely indray aloha dia raha vao misy hirika dia ho antsaiko io 😊
ZavonaRakoto ( 26/11/2024 07:39)
Misaotra namako a,
afa-po aloha hatreto!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Zavona Rakoto
Nampiditra : ZavonaRakoto
Daty : 11/11/2024 09:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0758