LASA AHO (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA AHO

Aza omena tsiny aho ry omaly nampijaly
raha handao anao ankehitriny,
fa andeha hivahiny any an-tanin’ny ampitso
ka ametraka ny veloma, ary hinoko fa tsy hiverina
Ary antenaiko tsy hitamberina
ny ritsoka mavany
Izay niraisantsika.
Ary koa tsy hanontany ireo tontolo izay niraisana
nampangovingovitra ny ny fo sy fanahy
Ka avelako ho anao ireo mampiahiahy.

Voampiriko ny entako, efa tsara fatotra ny ny vatsy enti- andalana
Ka efa foana ity ilaozaona, ary tsy ho harahin-tsento
Fa efa tena ela koa no teto
koa aoka aho andeha
Ka aza omena tsiny re !
Hodinganiko ity tokonana,
tsy hoe fiavonavonana
Fa mba efa ela izay
Ka mba aleo aho hiova indray
Eny tena efa betsaka eny mantsy
izany ranomasontsika
Ka mba avelao aho anatrika ilay masoandro mibalika

Mety sarotra ihany ny handingana ity tokonanana,
kanefa aoka hiazahako,
hikirizako ampahavononana.
Koa alohan’ny andehanako sy hiaotra ambaravarana,
dia mba ekeo ity fangatahako :
hirario fahasambarana;

Tsy hitodika intsony aho, fa ho tohizako ny dia
ndeha hikatsaka hitatady ilay kianjan’ny fitia.
Misy toky, hono, ao, tambitamby, feno hoby
Koa aleo aho hanainga dia eny zao sao tsy tody.

Dia veloma ry omaly, sanatria tsy manambany
fa samy teto isika, samy nihara nitomany
Misaotra anao aho niharitra ny alaheloko,
ianao no mahalala ilay ratra sy ambarateloko.
Tsy mba ho adinoina izany
na dia hoe feno tomany,
nefa avelao aho andeha, ampy izay ny hetraketraka,
sy ny fanahy reraka
fa ny tanjona izao
dia ilay maraina vaovao.

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
1541 1
Mpakafy: benasy
Hevitra mandeha
benasy ( 05/02/2009 10:02)
Ny tsy azo ihodivirana ve io làlana hitanao io, sa bitsiky ny fonao efa liana rahateo ??
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014