RADO (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RADO

Tsy fongotra akory fa mbola ao ihany
ilay Fakany hatrany
Haingo sy Harena ary koa Sarobidy
ho an'ny Faramandimby.
Nirongo tantely ary namela Mamy
ao anatin'ny Ankany
Ilay Radon'ny tany, ilay Ravaka tiana
namonjy Fodiana.


Ny Fanahy kosa dia handeha tsy hivahiny
amin'ny toerana tiany
Ny Lanitra izany, dia ilay Paradisan'
ny anjely alin-kisa
Amirapiratan'ny Fahasambarana
mba Hisantarana
Misy ny Fiainana Vaovao indray
sy Mandrakizay



Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fanantenana
1448 1
Mpakafy: Zozoro
Hevitra mandeha
NyKanto ( 21/09/2008 11:13)
Rado, Olon-dehiben'ny literatiora malagasy hany tavela tamin'ireo fito ngezalahy!!! ...

Tsetsatsetra tsy aritra : ilay andininy faharoa sao dia hoe : (tsy asiana ilay "tsy")
Ny Fanahy kosa dia handeha (tsy) hivahiny ...

Mankasitraka e!

Ny Kanto.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139