RAHA HO NOFINOFY IHANY...DIA NALEOKO (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA HO NOFINOFY IHANY... DIA NALEOKO

Rah'ho nofinofy ihany ny hasambarana zahana,
Ka ho levona avokoa izay rehetra "fikasana"
Dia naleoko tsy nisaina na nitady kely akory
Izay mba ahazahoana izany fa ho latsa ampaory.

Rah'ho nofinofy ihany izay rehetra nantenaina
Ka hanjavona ny hery izay asehon'ilay saina.
Dia naleoko eny lahy tsy mba nanantena izany
Rah'izy ireny koa no ho aloka ihany.

Rah'ho nofinofy ihany izany mba tiana sy amboloina
Ka ho faty avokoa izay rehetra nokoloina
Dia naleoko tsy nitia, dia naleko tsy naniry
Ka hamongatra dia eny ankibo izany mba hariry.

Rah'ho nofinofy ihany ny hafaliana tsy hitoetra,
Ka ny androko tontolo no hanjary feno tsetra
Dia naleoko nitahiry izany ranomaso izany
Mba tsy hisy olon-kafa hahita azy eto an-tany.

Rah'ho nofinofy ihany ny hialan'ny ahiahy,
Fa dia mbola izy foana no hijoroan'ny fanahy
Dia naleoko nanakombona ny sandriko ankiroa
Eto ambony tratrako eto mba hizaka izay manjo.

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1207 3
Hevitra mandeha
endrika01 ( 14/09/2008 13:55)
ntsooo,avelao ny nofinofy
hanalavitra anao,tsara be lay vetso.
mangidy ( 01/03/2009 19:10)
Raha ho nofy ihany izao rehetra izao, de naleko ihany tsy nahalala anao...Nofy mamy, Nofy lalina ianjadian'ny Fitia...; nefa kosa ankehitriny matokisa rehefa TIA...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.018