VAHINY (ZOZORO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAHINY

Vahiny an-tanin'olona ka miherikeri-dava
Ny hoho no tsy misy fa ringitra daholo
Injany misy embona tsy antenain-kisava
Harivariva ny andro, ho gina ny tontolo.

Izaho eto ihany, tsy mahatsiaro tena
Toa aloka mijoro ilaozan'ny fanahy
Ireo tsy hita maso, ilay vohitra salema
No tsaroan'ny saiko ngoly sy manahy.

Injany eritreritra tsy haiko ambara akory
No tsy ahitako izay eo anoloana
Misy bitsibitsika iriko mba hatory
Kanefa injao ihany mamolivoly foana.

Miandry eto aho, miandry olon-dray
Mba amborahako ny bitsiky ny foko
Efa tena ela no niandrasako azy izay
Kanefa izy aiza ? Tsy hitako misoko.

Malahelo aho, mieritreri-drery,
Fa saraka hava-tiana sy lavitra malala ;
Oriory aho fa tsy haiko ny manery
Ny foko tsy hitadidy ilay taniko fandala.

Vahiny harivariva, mivetsovetso izany !
Tsy henoko intsony ny horaky ny miaina
Vinavinako eto ny any ambadika any
Misy olon-tiana sy havana lalaina.

Zozoro
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1376 2
Hevitra mandeha
Koditra ( 23/01/2009 20:50)
Misaotra an'Zozoro. Tsara be.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101