Tiako loatra ianao (Ari Ira)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy efa nolazaiko anao impiry
moa ilay teny hoe tiako ianao?
Moa tsy efa leo ny sofinao?
Raha mba voan-javatra maniry
izany teny izany angamba
efa be toa baobaba....

Tsy efa nobitsihiko impiry
teo am-poto-tsofinao
moa ilay teny hoe tiako ianao?
" ngeza loatra makadiry"
hoy ny hirahiranao
mamaly ilay tam-poko tao

Tsy ho reraka ny molotro
f'ho mariky ny fo natolotro
dia ho dradraiko an-tsofinao
ny fitiavako manàko...
ilay teny hoe tiako ianao
hirahirako tsy hiato....
Ho anao..........
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
2685 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143