MIRARY KRISMASY SAMBATRA (HASINIONY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moa ry zandry fantatrao:
Fa ny lanitra hono anio
Hitondra zava-baovao
Sy fifaliana iray madio!

Ahoana hoe ry zoky tiana!
Hamangy antsika hoe ny lanitra,
Sa hitondra fifaliana
Ho an'i zanak'Andriamanitra?

Inona ary no hatao
Mba handraisantsika izany
Andeha hiankanjo vaovao
Sy handio ny tokontany


Ary ny sakafo inona
No harosontsika ho azy
Ny vary ve dia mampaninona
Sa ataony ho vazivazy

Fa ny mba tsy azoko vinany
Dia ny nandaozany an'i Ziona
Fa naleony dia ny tena
Izay voaravaka haratsiana

... Izany indrindra hono mantsy
No mba antompamangiany
Fa isika na dia olon-dratsy
... Mbola maminy sy tiany!
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
5812 3
Commentaires
Iony ( 13/12/2005 11:03)
mahita hevitra kosa enao an!
hasiniony ( 29/12/2005 14:26)
Merci lony an, za koa mankafia ny asa-soratrao!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142