Harodako (HASINIONY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Harodako ny fahatsiarovana nisy ihany tany ho any
isehoan'ny efa rava ho endrika mieloelo
fa tsy trano lao ny foko ka honenan'ny avelo,

hesoriko ny tsangambaton'ny fitia 'zay lany mamy
tsy hivongana ho sampy ny aloky ny nahavelomany
ho angano mora lefy ny ady izay mba nitolomany,

na ny ela na ny omaly: andry nisy tapi-niongana
ireo fitia tsy anjara nefa te-handrahona tomany
ratran-tsedra mora tola niofo ho lahatry ny tany,

ny firantin'ny tantara tsy hamerina ny fongana
na ny rakitra malala na ny rofin'ny fanahy
vovo-pasana avokoa rehefa nidina ho tsiahy,

harodako ny zava-dasa n'inoninona fanjohiny
ny afon-dolon'ny fahiny tsy fanangana ho jiro
n'inoninona hamamy izay tsarovana ho tsiro
n'inoninona hasoa mbola heverina ho tohiny...?
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1752 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasiniony
Daty : 18/04/2013 18:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101